Actualités

Tontolon`ny asam-panjakana “Hafainganina dia mihena ny kolikoly”


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Antony maro no mampihisatra ny fanaovan-draharaha any amin’ny biraom-panjakana fa ny lehibe indrindra dia ny havesatry ny dingana tsy maintsy lalovana amin’ny fikarakarana taratasy sy ny kalitaon’ny fomba fiasa.

 

 

 

Mila mitondra fanatsarana izany mba hisorohana ny kolikoly, hoy i Johnny Rakotoarisoa, solombavambahoakan`i Madagasikara voafidy tao amin` ny distrikan`Ambohidratrimo. Ohatra momba ny fisakanan-dalana nataon`ny mpitandro filaminana (PR), dia tsara kokoa raha hasiana solontenam-panjakana misahana ny fandoavana lamandy eny amin`ny ireny toerana ireny. Amin`izay eo akaiky eo ihany ny fandoavana lamandy ka tsy misy intsony ny firesahana amin`ny saofera sy ny mpitandro filaminana. Hatramin`izay, hoy ity depiote ity, eto no voasakana kanefa ny lamandy aloa dia any amin`ny 40 km ka fotoana very. Mila manamaivana ny fomba fiasa ka raha vita no manao ny ara-dalàna ho fampiharana noho ny kolikoly dia foana ho azy ny tsolotra. Nanambara ity solombavambahoaka ity fa ny asam-panjakana mitarazoka no mahatonga ny kolikoly ka efa misy ny tolo-dalàna novolavolaina mahakasika izany, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT