Ahoana ny fomba hitokisan`ny olona ny mpanao politika raha miharihary ny zavatra hitany ?
Homena tsiny ve ny olona raha tsy handeha hifidy ? Ny antoko amin`ny fitondram-panjakana ity toa manaiky ilay fomba amam-panao teo aloha mivadibadika palitao. Iaraha-mahalala iny ny loholona TIM nivadika ho kandidà IRD izay nolavin`ny HCC ny firotsahan-kofidiany ho depiote. Toa vao mainka mihamahazo vahana ireo fomba amam-panao ratsy. Ohatra velona iny kandidà IRD tany Ambatoboeny iny. Tsy isan`andro tokoa no harenesana olom-boafidy iray mivadika palitao. Fampahatsiahivana nataon`ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao no nahatonga ny fanapahan-kevitra. Mijery sy manara-maso ny fanarahan-dalàna sy fanatsarana ny sarin`ny andrim-panjakana. Inona izany ilay hamehana ? Misy ny fanadihadiana ara-moraly “enquete de moralité” natao tamin`ireo minisitra, izany hoe ny kalitao sy ny etikan`ilay olona. Hatramin`izao, mbola misy tompon’andraikitra ambony tsy voatendry noho ny fanaovana fanadihadiana ara-moraly. Azo eritreretina ve fa tsy nanaovana fanadihadiana ireo kandidà depiote ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.