Lasan’i Madagasikara fanintelony indray ilay loka “meilleure destination verte de l’Océan Indien”.
Tamin’ny sabotsy 1 jona lasa teo no nandraisana izany tany amin’ny Nosy Maorisy. 3 taona nisesy izay dia ny firenena Malagasy hatrany no nandrombaka azy ka ny tompon’andraikitry ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Masoivohon’i Madagasikara any Maorisy, Mija Rasamizafy no nisolotena nandray ny loka. Tombony hatrany izao satria mainka halaza maneran-tany hatrany ny fahatsaran’i Madagasikara ary hisy akony be amin’ny sehatra fizahantany sy ny toekarena izany. Tsiahivina fa ny World Travel Awards no mikarakara ity fifaninanana ity ka izao noporofoin’izy ireo izao fa mbola tsara i Madagasikara mihoatra ireo Nosy hafa eto amin’ny Oseana Indiana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.