Sanganehana ny tonian’ny mpampanoa lalŕna ambony (Procureur général) Randrianasolo Jacques naneho ny heviny manoloana ny fivoahan’i Claudine Razaimamonjy any ivelany omaly.
Nambarany fa noho ny resaka kolikoly avo lenta nahavoarohirohy azy, dia nisy ny fangatahana nataon’ny Bianco amin’ny hamoahana didy tsy fahafahan’ity mpandraharaha ity mivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara na IST (interdiction de sortie du territoire). In-droa misesy mihitsy izany dia ny 26 novambra 2016 nampafana ny raharaha kolikoly 390 tapitrisa ariary nampanantsoina azy in-droa nisesy, saingy tsy noraharahainy. Mbola namoahana IST faharoa izy ny zoma 7 aprily 2017 teo, saingy mahagaga ny nahatafavoahany any ivelany, kanefa efa nampahafantarina ny Polisy mpiambina sisin-tany (PAF). Manamafy anefa ny tonian’ny mpampanoa lalàna fa tsy mbola nisy ny didy manafoana ireo tsy fahafahana mivoaka any ivelany in-droa misesy ireo. Midika izany fa nisy ny tsikombakomba sy ny tetidratsy nentina namoahana ity vehivavy voarohirohy tamina kolikoly avo lenta ity, izay tompon’andraikitra ambony no tsy maintsy niara-nikotrika izao. Andrasana ny filatsahan’ny sazy henjana sy ny fepetra raisina manoloana izao fandikan-dalàna mihoapampana miseho eto amin’ny firenena izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.