Actualités

TONGA NY SADC Rava ny tetika saika hamotehana ny filoha Ravalomanana


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Raha nandray fitenenana teo anatrehan’ny mpitolon’ny MAGRO ny filoha nasionalin’ny vehivavy MFM ramatoa Rasoaniaina Malalatiana omaly alarobia dia hoy izy :

« misavorovoro ambony ambany ny tetikadin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao sy ireo mpanao dinika avo lenta nokasaina hampandadizana ny Filoha Ravalomanana,  mba hampandohalihana azy  amin’ny Frantsay ka hiaiky ny  volavolan-kevitry ny SEFAFI mba ahafahany mivoaka ny toerana nanagadrany azy any Antsiranana sy  afaka mody hamonjy ny fonenany etsy Faravohitra. »

Ampiharina ny tondrozotra

 Aoka ho fantatra fa izao fahatongavan’ny SADC izao dia ny hanao fanaraha-maso ny fanatanteraha an-tsakany sy an-davany ny Tondrozotra niarahana nanao sonia teo anivon’izy ireo ary nankatoavin’ny Fianakaviambe Iraisam-Pirenena. Raha ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao anefa dia toa mifanipaka sy mivaona tsy arak’izay fifanarahana izay no ataon’ny mpitondra nanomboka tamin’ny nahatongavan’ny Filoha Ravalomanana teto an-Tanindrazana. Ilay Andininy faha-20 izay voasoratra sy niaraha-nanao sonia mazava  tanaty Tondrozotra dia toa lasa voahitsakitsaka sy  nivadika ho herisetra ka nentina  nisamborana azy,  ary indrindra tena niova  ho ady heloka ka nanaitra ireto Vondrona SADC ireto. »

Araha-maso akaiky

Nomarihin-dRamatoa Rasoaniaina Malalatiana fa : « Etsy an-danin’izay koa anefa ny fahatongavan’ireto mpamatsy vola iraisam-pirenena toy ny FMI ohatra dia mbola manara-maso ihany koa satria raha isaina dia efa hanakaiky ny herintaona izao no nahatongavan’ny Filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny toerany.  Taratr’izy ireo fa toa maizina ny ahafahany mahatoky ny mpitondra amin’izao fotoana izao manoloana ny toe-java-misy mikasika ny fampanjakana ny demokrasia sy ny Ffitondrana tsara tantana. Tsara ho fantatra mantsy fa na nisy aza ny fankatoavana io Fitondrana io dia hatramin’izao  tsy misy ny Famatsiam-bola mivoaka entina hampandrosoana ny Firenena. Ny 70%-n’ny Famatsiam-bola ny fotodrafitrasa anatin’ny tetibola holaniana eo amin’ny Antenimieram-pirenena dia avy amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena avokoa. »

Nohamafisin’ity vehivavy mpitari-tolon’ny MFM ity fa : « Mila mivoaka faran’izay haingana any Antsiranana ny Filoha Ravalomanana  ary hatao faran’izay haingana ihany koa ny Fampihavanam-pirenena raha tian’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny ivoahan’i Madagasikara amin’ny Kkrizy sy hisian’ny fitoniana hisokafana amin’ny vazantany efatra ho amin’ny tena fampandrosoana haingana. »

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT