Actualités

Tonelina Ambanidia Mila mailo ny rehetra, hoy ny holafitry ny Injeniera


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Na dia nilaza aza ny minisi-panjakana sy ny minisitry ny asa vaventy mahakasika ny tonelina etsy Ambanidia dia ilaina hatrany ny fahamailon’ny rehetra. Efa misy rahateo ny teknisianina vahiny hijery manokana ny toerana. Raha ny fanazavana nomen’ny teknisianina momba ny asa vaventy iray dia tsy azo tsinontsinoavina ny tranga tahaka izao

 

. Raha ny hita, hoy izy, dia efa antitra tokoa ny fotodrafitrasa ary efa misy ireo fahavakisana madinika hita sy ireo rano matetika mitete eny an-toerana na dia tsy ao anaty fahavaratra aza ny andro. Antony teknika maro no mety mahatonga izany voalohany dia eo ny vesatra lanjain’ny tonelina noho ireo trano sy tanàna eo amboniny ka manamando ny toerana. Namoaka fanambarana ihany koa omaly ny holafitry ny injeniera eto Madagasikara izay nilaza fa tokony hisy ny fanadihadiana matotra ara-tsiantifika atao momba ny tonelina Ambanidia mba hahafantarana ny tena marina.Miandry ny vokatr’io fanadihadiana io ny holafitry ny injeniera ary milaza fa vonona hifanolo-tanana amin’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana amin’ny fikaroham-bahaolana.Niantso ny rehetra, indrindra fa ireo monina manodidina ny tonelina Ambanidina kosa anefa ny holafitry ny Injeniera eto Madagasikara mba ho mailo sy hitandrina fatratra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT