Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny minisiteran’ny fitaterana etsy Anosy omaly ny tondro famantarana lalana (Panneaux de signalisation routičre ) miisa 200 avy amina sehatra tsy miankina iray.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia tafiditra anatin’ilay 3P izy ity na ny tetikasam-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana. Mampiavaka azy ireto ny akora nanamboarana azy izay tsy misy vy na kely aza. Mora tazana kosa izy ireo na dia ao anaty maizin-kitroka aza. Tsy ho hita manerana ny tanàna anefa izy ireo fa natokana ho an’iny lalana “Boulevard de la francophonie” iny ihany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.