Kaominina nitondra faisana tamin’ny tondradrano vokatry ny orana nijojo tao anatin’ny roa herinandro i Mahajamba.
An’arivony ireo traboina. Nampanantena vary 25 taonina ny fanjakana mba ho an’ny traboina, nefa hatry ny omaly tsy tonga, ary raha ny nambaran'ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II dia 5 taonina aloha no ho tonga atsy ho atsy ; ny ambiny moa angamba dia naman'ny tsy misy ? Ny minisitra nisahana iny faritra iny rahateo notendrena ho Senatera. Raha ny fanampiana nampanantenain'ny mpitondra no nandrasana dia maty mosary tao ny mponina tao Mahajamba.
Ny tena mampalahelo ny mponina any amin’ny Kaominina Mahajamba dia ny nampiasana ny vola 5 tapitrisa tokony ho an’ny traboina, satria raha ny filazan’ny Ben’ny tanàna dia handoavana karaman’ny mpampianatra FRAM ny 2,6 tapitrisa, nividianana vatomamy sy biskoitra ny 1,8 tapitrisa, ny ambiny hividianana karine ho an'ny bevohoka.
Izany ve no maika amin'ny fahasahiranan'ny mponina ? Vatomamy sy biskoitra ve mahafaka ny mosary ? Nefa ny zaza dia tsy misy efitrano hianarana, dabilio sy ny sisa. Tena kivy tanteraka ny mponina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.