Efa loza mitatao (alerte rouge) ho an’ny lemak’Antananarivo ny tondra-drano raha araka ny fanambarana navoakan’ny APIPA omaly tamin’ny 3 ora tolakandro noho ny fiakaran’ireo renirano lehibe telo mamakivaky an’Antananarivo dia Ikopa, Sisaony ary Mamba. Teny Anosizato omaly dia 1,79 ny haavon’Ikopa ka 0,07 m tao aatin’ny 7 ora ny fiakarana. Mbola hiakatra hatrany anefa ny rano satria nikija indray ny orana nanomboka omaly tamin’ny 5 ora hariva. Rehefa mahatratra 3 m moa ny haavon’Ikopa eny Anosizato no ambara fa loza mihatra ny tondra-drano. Efa nahatratra 4,48 m kosa ny haavon’ny reniranon’Ikopa teny Bevomanga omaly tolakandro raha toa ka 4,50 m no feno ny fepetra ilazana fa loza mihatra ny tondra-drano.
Mivonona amin’ny fifindran-toerana
Nanamafy ry zareo avy ao amin’ny APIPA omaly fa tokony ho mailo sy hiomana foana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy ny tondra-drano ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mponina amina faritra maro eto Antananarivo, ary efa hivonona amin’ny mety ho famindran-toerana ny mponina. Tafiditra ao anatin’izany Antananarivo Renivohitra, Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato-Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Antehiroka, Talatamaty, Sabotsy Namehana ary Ankadikely Ilafy. Ireo olona manana trano fonenana manamorona sy manakaiky ireo renirano ireo moa dia tokony ho efa namonjy toerana avo sy nifindra monina satria sarotra ny famonjena rehefa tena hoe tondraka ny rano. Ao anatin’ny fiomanana tanteraka ny BNGRC mba hiatrehana ny zava-drehetra mety hitranga kanefa tokony ho mailo sy efa hiomana ihany koa ny tsirairay fa efa loza mitatao ny tondra-drano eto Antananarivo. Ny taona 1959 moa no nisy tondra-drano goavana farany teto Antananarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.