Actualités

Tompony mangataka atiny !


  • Alatsinainy 12 Septambra 2016

Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no mitohy dia ho lafo ambongadiny i Madagasikara.

Efa ela no nikipian’ny mpitondra ny raharaha Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay. Noteren-ko masaka tsy nakana ny hevitry ny vahoaka ny fitrandrahana any Soamahamanina izay haharitra 40 taona. Efa mihaodihaody any Ambilobe ny sinoa mpitrandraka volamena. Voalaza fa fianakaviana akaiky ny filoha no mitarika azy ireo. Mifanaretsaka ny sinoa any Andranobe Ambatondrazaka mitondra mpitandro ny filaminana ary mibodo tanin’olona hitrandrahana safira. Izao indray dia nesorina an-kery tamin’ny orinasa Tiko ny tany eny Andohatapenaka ka nahavitan’ny Fanjakana taratasy tao anatin’ny fotoana fohy mba hahafahan’ny vahiny manofa izany mora dia mora ao anatin’ny 50 taona. Tsy afaka misitraka ny taniny ny Malagasy fa ny vahiny no omena vahana hanjakazaka eto amin’ny firenena. Mifamadika ny rasa ka ny Malagasy indray no mandady rariny amin’ny taniny noho ny afitsoky ny mpitondra eto amin’ny firenena izay efa mibaribary ny famarotana tanindrazana ataony. Tsy ho ela intsony dia ny Malagasy indray no hanofa an’i Madagasikara amin’ny vahiny raha izao no mitohy.  Dia ho tompony magataka atiny eto izany isika raha mbola izao fanjakana izao no mitantana ny firenena !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT