Actualités

Tompondakan’ny tsy fanjarian-tsakafo Afaka mirehareha tokoa ve ny Malagasy ?


  • Talata 11 Febroary 2020

Mandeha amin’izao fotoana ny fivoriana eo amin’ny vondrona afrikanina any ivelany. Ireharehana ny fanendrena ny filoha Rajoelina ho tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

 

Zava-dehibe izany fa inona ny mason-tsivana ? Ekena fa resaka finiavana hamaha ny firenena amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo no nanolorana ny loka. Ny taona 2015 dia 47,3% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka. 42% izy ny taona 2018. Isika eto Madagasikara rahateo no manana an’ilay paikady PNAN III 2017-2021. Ny zava-dehibe aloha dia misy ny ady atao. Manaiky izao tontolo izao fa miady isika Malagasy. Raha oharina amin’ny zava-misy mahakasika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo dia karazana latsa ihany satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny ampahany be amin’ireny eto amintsika anie ka tsy eo am-pelatanan’ny fanjakana fa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka (vondrona iraisam-pirenena maro samihafa…). Raha jerena ny zava-misy, misotro rano maloto ny ankamaroan’ny mponina. Tsy misakafo ny maraina, ny atoandro dia bageda no hanina, hariva vao mety mihinam-bary sy laoka… Ny mila jerena dia ny zavatra hiainana sy ny tokony hatao ho an’ny sarambem-bahoaka. Inona avy anefa ny asa nataon’ny fanjakana ? Sa kosa mahita ny Vondrona afrikanina fa  hitombo ny voka-bary eto Madagasikara satria nahavita lakan-drano ? Afaka mirehareha amin’izany tokoa ve ny Malagasy rehetra na any avaratra na ny any atsimo ? I Madagasikara ihany koa dia feno volamena, solika, vatosoa… Amboaran’ny tsifanjarian-tsakafo anefa no hatolotra azy. Any Etazonia sy firenena eoropeanina anefa dia ny ady amin’ny havokisana (lutte contre l’obésité) no tena atao ary handaniana volabe mihitsy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT