Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.
Tsy ho mandrakizay kosa anefa, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Rehefa mitsahatra amin’ny andraikitra sahaniny ilay tompon’andraiki-panjakana iray dia tokony hiala amin’ilay trano ary hamerina ny fanalahidiny amin’ny fanjakana. Raha ireo minisitra manokana dia tsy maintsy miala amin’ny tranom-panjakana izy ireo, telo volana taorian’ny didim-panjakana nanesorana azy tsy ho mpikambana intsony ao amin’ny governemanta. Raha ny lehiben’ny andrimpanjakana indray tahaka ny praiminisitra, ny filohan’ny antenimierandoholona, ny filohan’ny antenimieram-pirenena, ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tokony hiala amin’ny tranom-panjakana enim-bolana taorian’ny fiafaran’ny fotoam-piasany izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia miroso amin’ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny fitantanana ireo fananam-panjakana ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, efa nanomboka ny 7 aogositra lasa teo. Voakasika manokana amin’izany ny fiara sy ny tranom-panjakana. Ny 27 aogositra izao no voatondro hanaovana ny tombana amin’izay fanisana izay. Ny 6 septambra kosa no voafaritra fa hanolorana ny vokatry ny fanadihadiana natao. Mampatsiahy ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena mbola mipetraka amin’ny tranom-panjakana sy mampiasa fiaram-panjakana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola mba hiala sy hamerina izany rehefa nitsahatra tamin’ny andraikitra. Tanjona ny mba hampanjakana ny tany tan-dalàna sy mba hisian’ny fitantanana mangarahara sy araka ny tokony ho izy ny fananam-bahoaka, hoy ny minisitera tompon’andraikitra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.