Manomboka ny volana febroary izao dia hanokatra ny tahirim-bola “Fihary” ny eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana, koa nampahafantarina ny vahoaka sy ny mpiasa ary ny mpanao gazety tao Toamasina ny mombamomba ity tolotra vaovao ity.
Zana-bola 9%
Voalazan’ny tompon’andraikitry ny trosam-panjakana eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana izay misahana ny fikirakirana ity tolotra vaovao ity, dia efa 2 taona no nanomanana ity tahirim-bola natao ho an’ny daholo be ity ka manomboka amin’ny 01 tapitrisa Ar ny petra-bola farany kely azo atao amin’izany. Maharitra herintaona hatramin’ny telo taona ny tahiry azo atao, ka arakaraka izany ny zana-bola azo izay manodidina ny 9% eo raha ny ambany indrindra. Afaka mandray anjara amin’ity tahiry ity avokoa ny rehetra, ka raha olon-tsotra no mandray anjara izay amporosihana araka ny politikan’ny tahirim-bolam-panjakana, dia kara-panondro sy fanamarinam-ponenana miampy ny faktiora ny jirama ary ny famantarana manokana momba ny kaonty amin’ny banky raha manana, no ilaina dia misikatra ny kaonty. Manomboka ny voaloha hatramin’ny faha-15 ny volana mitsidika no hanaovana ny petra-bola.
Mbola miasa ihany ny BTA
Afaka manao ity petra-bola “Fihary” ity koa ireo vahiny manana taratasy ara-dalàna mijanona maharitra eto amintsika saingy mila mahafeno ireo taratasy ara-panjakana rehetra fahazoany mipetraka eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny SAMIFIN ny tahirim-bolam-panjakana ao anatin’ny tolotra “Fihary” ataony ity, hisorohana ireo mpanadio vola maloto sy ireo mpanao trafika harem-pirenena mety hanafim-bola ihany koa. Nomarihan’ny tahirim-bolam-panjakana fa ny didim-panjakana 2014-1862 ny 10 desambra 2014 no mametraka ity tolotra ity ka tsy natao hifaninana amin’ny banky tsotra izy ity fa entina kosa hahafahan’ny tahirim-bolam-panjakana manam-bola hamatsiana ireo fampandahenan-draharaha ny asam-panjakana sy hamatsiana ireo famatsiam-bolam-panjakana. Na eo aza ny “Fihary” dia mbola misy hatrany BTA (bon de trésor par adjudication) mahazatra hatramin’izay, izay tsy latsaky ny 20 tapitrisa Ar ny ambany indrindra amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.