Saika mikarakara fanomezana manokana ho an’ny mpanjifany avokoa amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao ireo karazana orinasa eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny orinasa Canal Plus izay nampahafantatra ilay tolotra “grand show de noel” nanomboka omaly alakamisy 01 desambra
. Nidina ho 15.000 Ar mantsy ny vidin’ny décodeur iray nanomboka omaly, tolotra ho an’ireo mpanjifa vaovao tonga manatona azy ireo hatramin’ny faha-24-n’ny volana desambra. Tsy ho latsa-danja amin’izany ireo efa mpanjifan’izy ireo hatramin’izay. Hitombo hatrany mantsy ny isan’ireo chaîne ho azon’izy ireo ho an’ireo manavao ny fiaraha-miasany amin’ny Canal Plus izay mety hahatratra hatrany amin’ny 60 isa mihitsy. Ankoatra izay dia tontosa soa aman-tsara omaly koa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ity orinasa iray ity sy ny disney. Ho afaka handeha avy hatrany amin’ny Canal plus izay horonan-tsarimihetsika na fandaharana vokarin’izy ireo manomboka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.