Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Antaninarenina ny boky mitondra ny lohateny hoe “appel au bailleur” na “antso ho an’ny mpamatsy vola”.
Tohin’ilay boky novolavolaina tekinisianina maro nentina nampahafantarana ny fahasahiranana diavin’ny Malagasy ankehitriny izy ity. Mbola ny hetsika politika Tolona fanorenana ifotony na TFI hatrany no nanao ny fampahafantarana. Araka ny fanambaran’ny filohan’ny hetsika, Joseph Yoland, dia nasaina nanatrika ny fivoriana omaly avokoa ireo solontenan’ireo mpamatsy vola ny firenentsika ary dia efa nampoizina ny tsy fahatongavany satria tsy mety amin’izy ireo ilay fanorenana ifotony kasain’ny hetsika hampiharina. Anisan’ireo nasaina voatonona moa ny ambasadaoro amerikanina sy afrikanina tatsimo miasa eto amintsika. Notanisaina ihany koa solontenan’ny vondrona afrikanina sy eoropeanina ary ny minisitry ny raharaham-bahiny, amin’ny maha tompon-draharaha azy. Ny antenimierandoholona no hany nandefa ny filoha lefiny, Rakotovazaha Olivier. Tsy hihemotra intsony anefa ny tolona, hoy ny avy eo anivon’ny TFI ary tsy ekena intsony ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mialoha ny hanapahan-kevitra. Manaiky izay ireo mpamatsy vola tsara, tsy manaiky, tsy maintsy atao io, araka ny fanazavana. Tsy hihemotra amin’ny tolona izahay, hoy Rasolofo René, iray amin’ireo lohandohan’ny mpisorona. Tsy afaka ny hiandry ny taona 2018 intsony izy ireo fa hisy ny fanapahan-kevitra horaisina eto amin’ny firenena. Miankina amin’ny fifampierana amin’ny vahoaka kosa no handraisana ny fanapahan-kevitra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.