Actualités

Tolon’ny mpampianatra Mailo amin’ny fanjakana ireo mpitarika


  • Talata 11 Oktobra 2016

Tsy hanaiky ho tambazan’ny fanjakana ireo mpitari-tolona ao anatin’ireo sendika 13 isa mivondrona eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena manao fitokonana ankehitriny ho famaliana ny fitakian’izy ireo

. Efa nifanaiky izahay hoy Andrianjafy Ellidio mpitari-tolona eo anivon’ny ANEFFA fa tsy hamadika ny tolona ary hiady ho an’ny mpampianatra rehetra fa tsy ho anay mpitari-tolona irery ihany. Hitohy hatrany araka izany ny tolona hoy hatrany ny mpitarika ny ANEFFA mandrapamalin’ny fanjakana ny fitakian’izy ireo. Anisan’ny notsindriany manokana  fa efa tsy misy misokatra intsony ireo DREN sy fari-padidiam-pampianarana any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Vakinankaratra ary  SAVA nanomboka omaly ho mariky ny firaisankinan’izy ireo. Betsaka ihany koa hoy izy ireo efa tsy te-hanohy ny asany intsony eto an-drenivohitra saingy noho ny teritery avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, indrindra fa ny ministera dia tsy afa-mihetsika izy ireo. Nomarihiny manokana moa fa lainga ny filazana fa sendika telo sisa no manatanteraka ity fitokonana ity satria tsy mbola nisy nanao fanambarana ny hampiato izany ireo folo ambiny hatramin’ny omaly. Mitohy ny fitetezan’izy ireo sekoly ka ho an’ny omaly Alatsinainy ohatra dia anisan’ny nolalovany ny tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT