Tantara mitohy ny raharaha Soamahamanina. Tsy raharaha manokan’ny fikambanana Vona, na ny Fokonolona ao an-toerana intsony ity, fa niitatra
. Niditra an-tsehatra ankehitriny ireo mpitondra fivavahana, manao angaredona miaraka amin’ny Vahoaka hiaro ny tanindrazany tsy hoviraviraina amin’ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa. Tsy nampitony ny toe-draharaha ny fanesoran’ny Sinoa ireo fiara vaventy nampiasainy teny Soamahamanina.
Miala tanteraka ny Sinoa
Nisy omaly talata 11 oktobra 2016 ny fanambarana niombonana nataon’ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny Fiangonana samihafa, ny olom-boafidy ary Fokonolona, taorian’ny vavaka iraisam-pinoana tao amin’ny FJKM Tsaramaondroso-Soamahamanina, fanambarana izay novakian’ny Pasitera Jaona Ernest Alexis, Mpitandrina FJKM, mitaky ny hialan’ireo Sinoa mpitrandraka ao Soamahamanina, hisian’ny fitoniana sosialy eny an-toerana, satria mifandrafy ny mpiara-monina noho ity raharaha ity. Mitaky ny hanalana manontolo ireo fitaovana fitrandrahana mbola tavela ao izy ireo. Mitaky ihany koa ny hanafoanana ny fahazoan-dalana hitrandraka nomena ny orinasa Sinoa, ka hamerenana ny fifampidinihana manaja ny rafitra antanan-tohatra, mialoha ny hamoahana fahazoan-dalana hitrandraka. Mitaky ny hamoahana ireo mponina notanana am-ponja noho ny fiarovany ny tanindrazany koa izy ireo tamin’ny fanambarana nataony omaly, ary miantso ny mpitandro ny filaminana tsy hanao herim-pamoretana fa mba tena hiaro ny olona sy ny fananany. Nilaza ny solombavam-bahoakan’Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin fa tezitra ny mponina noho ny fanomezan’ny fanjakana ho an’ny Sinoa ny tany fivelomany sy hilevenany ity, ka doran’izy ireo ny ala tapia. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mihitsy anefa hoy ny depiote no nilokaloka fa hikajy sy hanaja ny tontolo iainana tamin’ny kabary nataony nandritra ny COP21 na ny kaonferansa iraisam-pirenena mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro, natao tany Parisy Frantsa tamin’ny volana desambra 2015.
« Manahy ny hitaran’io doro ala tapia any amin’ny Kaominina iadidiako aho », hoy Rabearivelo Armand, Ben'ny Tanàna ao Arivonimamo II, ka mijoro sy mandraikitra ary manentana ny Vahoaka izahay hisakanana izany. Hentitra ny tenin’ny mompera Ralaiarivony Rodolphe fa ny fialan’ny Sinoa tanteraka ao Soamahamanina ihany no hisian’ny fitoniana ao an-toerana. Mahafantatra izany ny mpitondra isan’ambaratonga tamin’ny taratasy nalefa amin’izy ireo, saingy indrisy minia mikipy sy manampin-tsofina amin’izany izy ireo, hoy izy. Na nisintaka azy ny Sinoa, dia tsy mbola misy hatreto fanapahan-kevitry Fanjakana milaza fa nofoanana ny fahazoan-dalana nomena ny Sinoa hitrandraka ao Soamahamanina, ka izay no mahamailo ny mponina sy ny olom-boafidy ary ny mpitondra fivavahana ary fiarahamonim-pirenena eny an-toerana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.