Efa manomboka mihatsara ny fahasalaman-dRazafindrakoto Gérard na Randrenja amin’izao fotoana izao fa tsy araka ny feo nandeha teo aloha.
Na izany aza mbola tazonina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy, antony nanosika ireo mpanakanto namana marobe toa an’i Sacha Bam bam, Jerry Marcoss, tarika Ny Hasina, Rebika, Tim Safelika, Black Nadia….hikarakara fampisehoana goavana entina hanampiana azy ny alahady 4 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Eny amin’ny Coliseum Antsonjombe no hanatanterahana izany, toerana izay nomen’ny fanjakana maimaimpoana raha nandray anjara tamin’ny fanamaivanana ny hetra kosa ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatolotra manontolo hitsaboana an-dRandrenja ny vola azo avy amin’izany ka ny tranom-pamokarana Horizon izay naoriny, no handray an-tanana ny resa-bola rehetra. Tsy misy andoavam-bola kosa ny fitaovana hampiasaina amin’izany fa natolotr’ireo namana avokoa. I Francis Turbo, pastera, Fou hehy no hanentana ny lanonana. 2.000 Ariary ny vidim-pidirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.