Raikitra ny sakoroka afak’omaly alina tany Toliara. Sarimbavy roalahy niara-nirevy tamina « bar » iray teny Amoron-driaka no nifamono
Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia samy naratra ireto pelaka ireto. Raha ny tsilian-tsofina re nandritra ny agom-baovao, dia resa-bola no fototry ny olana. Nomena vazaha iray vola 120 000 ariary izy roalahy. Nitady ho fetsy anefa ilay iray zokiny naka ny vola, ka nafeniny ny roa alina, dia nolazainy fa iray hetsy ariary ihany nomen’ilay anti-dahy. Niakatra ny toaka « jus de risque » dia samy namoaka ny alahelo nikobona tao am-pony avy eo. Fo rano mandroatra ka rafitra ny ady. Raha ny zava-misy sy maso mahita ao Toliara dia mihamaro ankehitriny ireo « homosexuel » mivarotena tsy menatra miseho vahoaka intsony amin’izao, raha niafina sy nisitrika teo aloha. Noho ny fahantrana, rendrarendra sy fitiavam-bola, roboka hatramin’ny tsy ampy taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.