Actualités

Toliara Mpianatry ny CEG telolahy tra-tehaka nifoka rongony


  • Talata 15 Martsa 2016

Mirongatra amin’izao ny fidorohana zava-mahadomelina, roboka hatramin’ny mpianatra tsy ampy taona.

 

 Omaly maraina, mpianatra telolahy amina CEG iray ao Toliara no tra-tehaka nifoka rongony tamin’ny fotoana fakandrivotra. Taitra ny “surveillant” tao amin’ity sekolim-panjakana ity naheno fofona hafahafa niainga tao ambadiky ny efitrano fianarana. Nozahany izany ka telolahy mbola teo am-pifohana jamala no hitany. Nosamborina avy hatrany ireto mpianatra, raha tafatsoaka ny iray. Nofotorana izy ireo dia nilaza ny iray izay 15 taona, fa efa telo taona no nifoka rongony, ary nilaza izy fa tsy mitombina mihitsy, hono, ny sainy amin’ny fianarany raha tsy manendry baomba iray.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT