Haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna amina Kaominina miisa 5 ao anatin’ny Faritanin’i Toliara ka ao anatin’ny Distrikan’i Sakaraha ny 3 amin’ireo. Nisy Birao fandatsaham-bato 4 tsy nahazoana vokatra noho ny asan-dahalo. Nivoaka omaly ny voka-pifidianana ofisialy ho an’i Toliara.
Jirama
Nisy fihaonan’ireo mpitarika fitokonana avy amin’ny farimbon-tsendikaly sy ny avy amin’ny foibem-pitondrana Jirama teny Ambohijatovo omaly. Fihaonana tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Ny solontenan’ny mpiasa no nilaza fa nangataka ny famoahana ny naman’izy ireo mpitarika naiditry ny fanjakana am-ponja izy ireo. Na izany aza mitohy ny tolona hoy izy ireo.
Delestazy
Kartie miisa 127 eto an-drenivohitra sy ny manodidina no lasibatry ny delestazy. Raha minitra no faharetan’ny fahatapahan-jiro teo aloha dia tafakatra adin’ny telo izany tato ho ato. Mitaraina ireo mpivarotra enta-madinika, fa mitsonika ny entana tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Miato ny asa miankina amin’ny herinaratra toy ny fanaovam-bolo sy mpanao “soudure”.
Faritra Boeny
Tombanana any aho any amin’ny 6 hetsy ny olona mahantra, izany hoe latsaky ny 1,12 dolara isan’andro ny vola miditra aminy, araka ny famaritan’ny Firenena Mikambana. Nisy atrikasa roa andro nandinihana ny hamahana ny olana natao tany Mahajanga.
Toamasina
Toeram-pivarotana miisa valo manodidina “Guichet” ana koperativa rezionaly no indray narodana omaly. Tsy nanana taratasy ara-dalàna ireo dia narodana hoy ny avy amin’ny Kaominina ary efa nampiomanina momba izany izy ireo tamin’ny 19 septambra 2015.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.