Nezahina nopotehina ny tanŕnan'i Tolagnaro. Io no azo amintinana ny tranga misy ao an-drenivohitra Anosy ity. Mbola ahitana fako miavosa sy fotodrafitrasa simba ireo kartie-11 ao amin'ny kaominina ambonivohitr'i Tolagnaro.
Ireo lalana feno sachet sy poti-taratasy, ireo maloto avy amin'ny olom-belona miparitaka eran'ny lalana. Ny jirama mandavaka ny arabe vita goudron dia tsy averiny. Fofona sy rivotra maloto no iainan'ny mponina. Ireo toerana fanariam-pako izay eny amin'ny toerana fivezivezen'ny mponina efa tsy omby intsony jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana noho ny tsy fisian'ireo fitaovana. Amin'izao fotoana, tapaka avokoa ny lalana. Mandositra ireo mpizahatany. Tsy zakan'ireo ankizy ny fihanahan'ny parasy lafrika sy ny loton'ny tanàna. Misy fiantrakany ratsy amin'ny fahasalaman'ny mponina izany. Tsy andrenesam-peo mahakasika izao fahavoazan'ny kaominina izao i Perle Endor, filohan'ny delegasiona manokana amin'izao fotoana. Ankoatra ny fako mivangongo, mbola asa goavana miandry ny ben'ny tanàna vaovao ny fandoavana ireo karaman'ny mpiasan'ny kaominina nandritra ny efa-bolana sy ireo trosan'ireo mpiara-miombon'antoka izay samy tsy mbola voaloa, araka ny fanadihadiana natao. Nampanantena ny ben'ny tanàna vaovao fa hanao izay fomba hampandehanana ny kaominina sy ny fitsinjovana ireo mpiasa eo ambany fiahiany. Tafiditra ao anatin'ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra avokoa izany. Hotontosaina anio alakamisy ao amin'ny efitrano malalaky ny kaominina ihany ny famindram-pahefana.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.