Lehilahy iray atao hoe Todison na i Faralahy no natelin’ny honahonam-pasika tao Mandena- Tolagnaro, ny alin’ny alarobia teo.
Amin’izao fotoana eo am-panotofana ireo lavaka nakana fasimainty ireo mpiasa. Eo amin’ny 15 m ka hatramin’ny 20 m ny halalin’ny toerana hotototofana. Teo am-panatanterahana ny asa indrindra ity mpamily an’ilay “engin” ity no nihotsaka tampoka ny honahonam-pasika. Nanjavona tampoka i Faralahy sy ilay fitaovana. Eo am-pikarohana ireo teknisiana. Hatramin’izao ora andefasana ny vaovao izao, samy tsy mbola hita na i Faralahy na ilay fitaovana. Samy tsy misy niasa ny fianakaviamben’ny RioTinton Qmm fa mbola seriny amin’ny fikarohana ny razana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.