Mitaraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra noho ny afitsoka ity teratany karana iray manao tsy refesi-mandidy sy mampiasa ny fanararaotam-pahefany amin’ny fahalalana mpiasam-panjakana ambony,
ary tompon’andraikitry ny tanàna ao Toamasina, ka sahy manitatra ny fanamboarany ity magazainy ao Salazamay ao anatin’ny tokotanin’ny Lisea Jacques Rabemananjara. Efa nanao ny ezaka rehetra nampahafantatra ny Cisco sy ny Dren ary ny “Proviseur” ny fisian’izao olana izao ireo ray aman-dreny, satria tsy ny fanitarana ny fanamboarana ao anatin’ny tokotanin’ny Lisea ihany no misy, fa voakotaba ny fanamboarana ataony ihany koa ireo mpianatra. Efa nanomboka ny volana novambra 2015 ny fangataham-panazavana, ny 22 desambra ny taona lasa vao namaly raha nandefa solontena Malagasy izay teratany karana ary nanome toky ny hanajanona ny fanitarana ataony eo antokotanin’ny Lycee. Saingy noho ny tonga ny taona vaovao dia niitatra hatrany ny fangalarana sy ny fanamboarana ataony, efa nametraka fitarainana teo anivon’ny kaominina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, saingy tsy mihaino ny ben’ny tanana sy ny ekipany nefa izy ireo ihany no nanome ny alalana nahazoan’ity teratany karana ity manamboatra ilay magazay, ka mahazo aina amin’ny fangalarana ataony ity karana ity izay tsy mijery mihitsy ny olana sedrain’ireo mpianatra amin’ny asa ataony. Raha tsy handray ny fepetra rehetra mikasika izao olana izao ny kaominina sy ny tompon’andraikitra samihafa afaka hamaha ny olana, dia hiditra amin’ny fandraisany fepetra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ho fiarovana ny zanany sy ny fianarana ny mpianatra ary ny fananan’ny sekoly, araka ny fampiantsoana mpanao gazety nataon’izy ireo, izay nahita imaso ny zava-misy sy iainan’ireo mpianatra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.