Actualités

Tokindray Rakotomalala Fampihavanam-pirenena vaovao no ilaina eto amintsika


  • Talata 09 Desambra 2014

Adilahy politika sy fanakorontanana ary ady seza sy fitiavan-tena no nisy ary mbola misy eto amintsika, hoy Atoa Rakotomalala Tokindray tanora mpanao politika, fa tsy nisy ady an-trano sy fifamonoana olona marobe tahaka ny tany ivelany. Raha tsorina dia ny

fanakorontanana ataon’ny mpanao politika malagasy no niteraka fahaverezan’asa teo amin’ny vahoaka, ny fisian’ny jiolahy sy dahalo tsy mampandry fahalemana ny tany hany ka lasa tandra vadin-koditra hoan’ny Malagasy maro ny haratsian-toetra. Ilaina araka izany ny fampihavanana eto amintsika, saingy tsy io fampihavanana fandaniana andro sy fandrebirebena saim-bahoaka dradraina foana isan’andro io fa fampihavanana amin’ny endriny vaovao dia ny fanovana toe-tsaina. Fanovan-tsaintsika rehetra mihitsy satria samy tompon’andraikitra eto amin’ity firenena ity isika. Mila  hovana ny rafi-pitondrana misy eto amintsika ankehitriny ka homena sehatra mazava ny tanora hoavin’ny firenena amin’ny fitantanan-draharaha ara-politik sy ara-pandrosoana. Tsy ailika anefa ireo efa nahazo taona fa hiara-hiasa kosa ary hizara ny traikefa ananany amin’ny tanora.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT