Mihasahirana ny tokantrano Malagasy mihoatra amin’ny zava-misy teo aloha, araka ny tarehi-marika iombonana navoakan’ny Banky iraisampirenena sy ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny Antontanisa.
Tena mahantra ny 18,6%-n’ny fianakaviana eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy ny 1,4% no mba migalabona sy misafononoka ao anatin’ny harena. Mandrafitra ireo tokantrano salantsalany kosa ny 41,9%. Voasokajy ao anatin’ny fetram-pilaminana ara-tsakafo ny 79%-n’ireo tokantrano eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana niarahan’ny Instat sy ny Banky iraisampirenena tamin’ny volana janoary 2015. 82,3% io salan’isa io tamin’ny volana jolay sy aogositra 2014. Manana olana ara-tsakafo kosa ny 3,5%-n’ny tokantrano Malagasy raha 2,2% ny tahan’izany enim-bolana lasa, araka ny vokatra farany navoakan’ny fanadihadiana «A l’écoute de Madagascar» ihany. Mandany vola kokoa amin’ny resaka sakafo ankehitriny ny 60%-ny tena tsy mazoto hono dia n’ireo fianakaviana nanontaniana mihoatra ny tamin’ny vanim-potoana nandalovan’ireo loza voajanahary. Manahy betsaka amin’ny fampisakafoanana ny mpianakavy rahateo ny tokantrano Malagasy amin’izao fotoana izao raha ampitahaina amin’ny teo aloha.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.