Tokony ho niatrika fitsarana ao amin’ny tribonalin’i Betroka omaly i Tokanono, ilay ombiasy nitana ny fanafodin’i Remenabila izay dahalo nampahory iny faritra atsimon’ny nosy iny nandritra ny fitondrana tetezamita.
Voampanga ho niray tsikombakomba tamin’i Remenabila sy ny namany i Tokanono ka izay no antony nitadiavan’ny Kolonely Lylyson de Roland azy nandritra ny hetsika tandroka. Nentina fiara manokana avy taty Antananarivo i Tokanono raha araka ny vaovao voaray. Hatramin’ny fotoana nanoratanay anefa dia tsy mbola tonga tany an-toerana ny fiara nitondra azy. Taorian’ny nisamborana azy dia napetraka tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy i Tokanono. Marihina fa i Tokanono tena tompon’anarana dia efa maty fa mpandova azy amin’ny maha mpitana fanafody gasy azy ireo ity miakatra fitsarana ankehitriny ity. Anisan’ny ombiasy tena atahorana ity tokanono mpandova ity noho ny herin’ny odiny. Raha iverenana kely ny tantaran’i Remenabila dia maro ireo mpitandro ny filaminana izay nijoro vavolombelona fa na dia voatifitra izao aza ireny dahalon’i Remenabila ireny dia mbola mitsangana ihany fa tsy maty noho ny odin’i Tokanono. Ambonin’izay dia mahavita mihazakazaka mandritra ny fotoana maharitra sady haingana, hono, ny dahalo nihinana ny fanafodin’i Tokanono.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.