Actualités

Toetry ny andro Ambony ny maripana,ho avy ny andro ratsy


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Mikasika ny mety ny ho toetry ny andro dia mety hiverina ny orana ao anatin’ny telo andro ary saika manerana ny nosy afa-tsy ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy.

 

 

  Mikasika ny habetsahan’ny rotsakorana indray dia ny faritra Alaotra Mangoro sy ny Atsinanan’ i Vakinankaratra no hatevintevina, indrindra ny zoma sy sabotsy ho avy izao. Hiakatra kosa ny maripana satria miha mahazo vahana ny « mousson » ka hanevokevoka ny eto afovoan-tany izay 18°C no ambany indrindra ary 28°C no ambony indrindra. Ny morontsiraka andrefana toa an’ i Mahajanga dia eo amin’ ny 35°C ny maripana. Nanamafy kosa ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy mbola hisy kosa ny rivodoza hiforona ao anatin’ny efatra andro. Etanina ny rehetra hitondra ny fitaovana aro orana mandritra izao fotoam-pahavaratra izao ary hitandro ny fahadiovana mba tsy hanentsina ireny lakan-drano ireny mba afahan’ny rano maloto mivarina amin’izay tokony halehany.   

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT