Actualités

TOETR’ANDRO Hihamafy ny fitsokan’ny rivotra amin’ity herinandro ity


  • Talata 16 Jolay 2019

Ny Alizay antonony no mandrafitra ny toetr’andro eto Madagasikara amin’ity herinandro ity, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

 

 

 

 

  Ho hita  taratra amin’ny morontsiraka Atsinanana manontolo izany ka hisy ny orana somary matevina hirotsaka.  Handrahona arahina erika indraindray kosa ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany, raha efa hatsiaka be no hisantarana izany amin’izao fiandohan’ny herinandro izao. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra sisa. Etsy an-danin’izay, ho mafy ihany ny koa ny fitsokan’ny rivotra saika manerana ny Nosy fa hihamalefaka sy ho maina ny andro any amin’ny faran’ny herinandro. Hahitana fidinany avokoa vokatr’izany ny maripana amin’ny ankapobeny. Somary hafana anefa amin’ny faran’ny herinandro. Tsy dia hiova firy moa ny tarehimariky ny maripana amin’ny faritra hafa. Nanodidina ny [10- 22°C] ny maraina raha manodidina ny [20- 32°C] kosa ny folakandro.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT