Somary hiato kely ny ranon’orana eto an-drenivohitra mandritra ity herinandro ity, araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.
Efa madiva hifarana tanteraka mantsy ny fotoam-pahavaratra saingy avy hatrany dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina indray isika. Fomba hamantarana izany ny hatsiaka misoko mangina vao maraina isan’andro. Manomboka hihafoy ihany koa ny andro raha oharina amin’ny alina. Omaly no nitovy ho 12 ora amin’ny 12 ora ny oran’ny alina sy ny atoandro na ilay antsoina hoe : equinox. Manomboka anio kosa dia somary antoandro vao hiposaka ny masoandro ary vetivety ihany koa dia hody. Mikasika ny toetr’andro mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska indray dia fantatra fa mety tsy hisy loatra ny oram-baratra na dia nandrava sy nanimba zavatra indray aza izany ny sabotsy teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.