Actualités

Toerana avo eto Antananarivo Asongadin’ny Unesco any Paris


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Ankalazaina ao an-drenivohitra Frantsay misy ny foiben’ny Unesco mandritra ity herinandro ity ny andron’i Madagasikara andiany faha-11.

 Nisafidy ny hampisongadina ireo toerana avo eto Antananarivo renivohitra moa ny masoivoho maharitry ny firenena Malagasy eo anivon’ity sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny siansa sy ny kolontsaina ity. Mandrafitra ny fandaharam-potoana ny fampirantiana ireo faritra manan-tantara toy ny Lapan’i Manjakamiadana, ny Lapan’Andafiavaratra, ny Lapan’ny Fitsarana fahiny Ambatondrafandrana, ny fiangonan’Ampamarinana, ny katedralin’Andohalo sy ny manodidina. Eo ihany koa ny famelabelarana arahina adihevitra ho fiarovana miaraka amin’ny vinavina momba ireo toerana avo manan-tantara ao anatin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny fikaloana ireo hira tena Malagasy miaraka amin’ny tarika Tiharea. Tanjona goavana kosa ny fanomezan-danja ny vakoka ara-kolontsaina isam-paritra.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT