Tena malahelo mafy ireo mpilalao baolina kitra sy ireo mpankafy izany taranja izany eny Mandrosoa Ilafy amin’ny feo mandeha fa hofoanana ny fisian’ity kianja malaza fanaovana “tournoi” hahazoana omby isan-taona ity noho ny fijoroan’ny fefy « tôles »
manodidina ny fidirana eo amin’ilay kianja. Voalaza ny alahady 10 janoary teo fa saika hisy andiana olona maro hitondra sorabaventy hanoherana io tranga-javatra io saingy tsy tontosa ilay izy fa dia ny fifaninanana baolina kitra Open Ny Sahy n° 24 no nitohy niatrika ny andro faha-4 amin’ny fifanintsanana. Ss20 1 – 1 Ajax ; Rca 0 – 0 Bazarcd rava 87 mn fa niditra an-kianja ny mpijery ; Tamia 0 – 0 Fc Tank ; Ta.Ma.Fi 0 – 1 Tam ; Brotherrs 1 - 0 Msfc. Nanambara ary Atoa Andriamamonjisoa Haja filohan’ny Ong Ny Sahy mampiasa ity kianja ity fa tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakana 21 ha antsoina hoe “Akaikin’Iarivo” ity kianja ity ka tsy tompony velively ry zareo fa mpindrana ny tany fotsiny hampilalaovana ny tanora. Tsy marina, araka izany, ny hoe namidin’ny Ong Ny Sahy ny kianjan’ny 80 Lahy, hoy izy, satria ny tanim-panjakana dia tsy azo amidy. Nisy olon-tsotra 300 nangataka ity tany filalaovam-baolina ity, hoy Atoa Haja, ka ny 200 tamin’ireo no nahazo valiny nahafa-po avokoa izany no mahatonga ny famefena hita eny an-toerana. Ny hamindrana ny toeram-pilalaovam-baolina kosa dia efa eo am-panatanterahana izany ry zareo, araka ny nambaran’ity filohan’ny Ong Ny Sahy ity ihany. Raha ny amin’ireo mpivarotra eo avaratry ny kianja kosa dia voalaza fa tamin’io alahady faha-10 janoary io no fotoana farany nomen’ny kaominina Ankadikely azy ireo hialana eny amin’ny toerana ka handrodanany ireo trano nitsangana fa ilain’ny kaominina hamboleny hazo ny toerana, araka ny nambaran-dRtoa Fanja mpivarotra iray sendra ny mpanao gazety teny an-toerana. Tsy maintsy hiala izahay fa mba manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra, hoy izy, fa toerana anelanelana rarivato sy tanimbary tsy misy mpandeha eny Andranoritra no hoe hamindrana anay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.