Nivoaka ny fanambarana ofisialy avy amin’ny tahirimbola iraisam-pirenen‘ny FMI fa dia i Chine no firenena matanjaka ara-toekaena indrindra eto ambonin’ny tany, resiny i Etazonia rehefa natao ny fampitahana ny tarehimarika
Fototra niaingan’ny kajy nataon’ny FMI ny fahefa-mividin’ireo mponina any amin’ireto firenena roa goavana ireto, ka teo no nahafantarana fa ambony kokoa ny fahefa-mividin’ny Sinoa raha oharina amin’ny an’ny Amerikanina. Tapitra hatreo izany aloha ny fanjakazakan’ny Be kintana eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny varotra, zavatra efa nampoizina hatry ny ela izao fisongadinan’ny toekarena Sinoa izao io satria nihazakazaka be mihitsy teo amin’ny resaka famokarana sy ny varotra maneran-tany i Chine tato anatin’ny 20 taona izao. Rakotry ny entana Sinoa ny tsena rehetra eto ambonin’ny tany, eny fa na dia hatrany Etazonia sy Eoropa aza. I Amerika latina sy Afrika moa dia efa anjakazakan’ny Sinoa. Zavatra tsy dia mahagaga firy ilay izy satria ny Sinoa no maro an’isa indrindra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana, efa manodidina ny 2,6 miliara izy ireo, tsara ho fantatra ihany koa fa manodidina ny 10 ka hatramin’ny 12 ora isan’andro no miasa ny Sinoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.