N’iza n’iza olo-miaina eto amin’ity firenena malagasy ity manoloana izao zava-misy iainan’ny vahoaka dia tsy afaka ny hangina fotsiny tsy hiloa-bava, hoy ry zareo mpikambana ao amin’ny
« Conseil des anciens étudiants de l’Université de Madagascar » ahitana mpanao politika, fiarahamonim-pirena, mpiaro ny zon’ny mpanjifa, mpiaro ny zon’olombelona, olom-panjakana hatramin’ny olon-tsotra mpikambana ao aminy, nitafatafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 ha atsimo omaly. Nambaran’izy ireo fa mila mandrafitra ny « structure de dialogue » isika Malagasy ahafahan’ny mpitondra sy ny mpanohitra mifampiresaka ara-dalàna mba hialana amin’ny ra latsaka hatrizay ary hisorohana ny krizy vaovao mety hitranga indray. Mihazakazaka mankany amin’ny fifandonana ny samy Malagasy mantsy ny fandehan’ny zava-misy ankehitriny, hoy ity vovonana ity, ka mila fifandaminana matotra. Vonona izahay ao amin’ny « Conseil des étudiants » ity ny hidina an-tsehatra mihitsy handondom-baravarana ny mpitondra sy ny mpanohitra handresy lahatra azy ireo hiroso amin’ny tena fifampidinihana, hoy Atoa Rasambozafy Cyrille.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.