Tsy mbola nisy ny fanendrena Tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) hatramin’izao, na dia efa tamin’ny 20 martsa 2019 aza no nandraisana fanapahan-kevitra tao amin’ny filankevitry ny minisitra fanesorana ny teo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.
Izay ilay tsy fahamatorana. Esorina ny tompon’andraikitra amina toerana stratejika kanefa tsy misy solony ofisialy ara-dalàna fa olona vonjimaika no napetraka ao, ary izao vao toa mandeha ny antso tolotr’asa momba ny fikarohana olona hapetraka amin’ilay toerana. Volabe ana miliara maro dia maro no mihodina ao, ary efa notaterina teto ny ahiahy hoe: sao dia tetika hanaovana tantely afa-drakotra na hakana volabe ao no anton’izao ? Ny tena loza dia nandray fanapahan-kevitra goavana tao anaty filankevitry ny minisitra ny fanjakana ny 03 mey teo, fa tsy maintsy hampidirina CNaPS ny mpiasa rehetra ka nomena telo volana ity sampandraharaha ity hanao fanentanana sy hampihatra azy. Olona vonjimaika anefa no mitantana ka ahoana ny fametrahana ny paikady sy ny fiatrehana amin’izay sa tsotsorina sy hamaivanina fotsiny ao. Ny politikan’ilay Tale jeneraly teo aloha efa voavolavola ihany no hampiharina ao; ka inona moa izany no antony tena lehibe nanesorana azy ? Toa misy tsirambina sy fanapahan-kevitra amboletra sy petatoko tao, izay maneho hatrany fa tsy matotra sy manaotao foana hatrany ny fanjakana ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.