Actualités

Toe-draharaha any Atsimo Tsy dahalo avokoa ireo niova fo


  • Talata 18 Novambra 2014

Tsy dahalo avokoa ireo voalaza fa niova fo any amin’ny faritra atsimo, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe Androy Atoa Jean Michel Henri. Araka ny fahitan’ity olom-boafidy ity ny zava misy any an-toerana dia vitsy amin’izy ireny ihany no tena dahalo fa ny ankamaroany dia ireo olona nitsoa-ponenana ka niala lavitra ny tanàna misy azy ireo.

Notsindriany hatrany fa nisy ny adim-poko teo amin’ireo olona tany atsimo dia ny teo amin’ny mponina Andranodambo sy Ambatotsivala ka ireo olona ireo no nampihavanina ka nolazaina fa dahalo niova fo avy eo. Betsaka tamin’ireo olona tany atsimo no nitsoaka lavitry ny toerana nonenany, nisy mihitsy ireo tonga tany Amboasary Atsimo ka rehefa tonga tany ny mpitondra fanjakana dia natao ny famitranam-pihavanana teo amin’ireo mponina ka lazaina fa dahalo niova fo. Etsy an-daniny, nilaza ny tenany fa raha marina ny maha dahalo ireo olona ireo, maninona no tsy mba nisy akory fampiatsoana ny tenany hanatrika ny fampidirana ireo olona ireo  ao anaty fiarahamonina amin’ny maha olom-boafidy ny tenany amin’iny faritra iny ? Tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa, hoy izy ny mahakasika ireo olona very fananana tamin’ny asa ratsy nataon’ireo voalaza fa dahalo ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT