Nahazo fahandroan-tsakafo mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny toby mitaiza ireo zanaky ny zandary maty am-perinasa ao Arivonimamo. Fanomezana avy tamin’ny alalan’ny fikambanam-behivavy Soroptimist International Club Antananarivo Doyen izy io niarahana tamin’ny Club Vevey any Suisse sy ny ADES
. Ny Sabotsy lasa teo no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny fitaovana izay mitentina 2 tapitrisa Ariary mahery. Anisan’ny tanjon’ny mpanome ny hanalana fahasahiranana ny toby amin’ny fikarakarana ny sakafon’izy ireo, izay mitaiza ankizy 21 isa ankehitriny. Eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fampiasana ny saribao izay marihina fa tena miteraka aretina ho an’ny olona maro tokoa. Narahin’ny fizarana sakafo sy fitaovam-pianarana ho azy 21 mianadahy ny lanonana izay tsiahivina fa mbola mianatra avokoa mandranto fianarana eny anivon’ireo sekolim-panjakana eny an-toerana. 8 taona no kely indrindra amin’izy ireo raha 19 taona no lehibe indrindra. Avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izy ireo, misy iraitampo ka isan-kerinandro vao mahazo alalana hamangy na hitsidika azy ny reniny. Hatreo amin’ny faha-21 taonany ihany anefa izy ireo no hiantohan’ny toby ka anisan’ny tombony ho azy ireo manokana ny fahafahany manohy ny asa nataon-drainy na lahy izany na vavy raha vantany vao afaka baka izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.