Nidiran’ny milisyan-keriny ny tobin’ny Polisy monisipalin’ny teny Anosipatrana ary.
Navoakan’ireo andian’olona nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, tamin’ny fomba feno amboletra ireo kamiao 3 nogiazan’ny Kaominina Antananrivo renivohitra teny, noho ny tsy fanarahan-dalàna nahatrarana azy ireo teny Andohatapenaka ny marainan’ny alatsinainy 5 septambra. Tratra ambodiomby nitatitra vato sy tany tsy misy alalana avy amin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra ireto fiarabe ireto. Antony nanagiazana azy koa ny tsy fahitana taratasim-piara taorian’ny fisavana ary tsy nisy laharana ireo fiara. Ny alin’ny nanidiana azy ireo teny Anosipatrana ihany, amin’ny 10 alina, no nitrangan’ny barofo.
Ny kolonely Ramiaramanana Joseph, PDS teo aloha, no nanao be fiavy niaraka tamin’ny basy poleta teny an-tanany, nombana andian’olona nisaron-tava sy mitam-basy mahery vaika nibetroka fa iraka ary baiko ny azy, haka ireo kamiao ireo. Tamin’ny volana jona 2016, nihazakazahan’ny minisitry ny fanajariana ny tany ny nanakana ireo fiarabe nitaona tany teny Masay, hanaovana fotodrafitrasa handraisana vahiny amin’ny frankôfônia raha ny volaza tamin’izany, fa hoe tsy ara-dalàna. Miharihary toa vay an-kandrina ireo tsy fanarahan-dalana niseho tetsy Andohatapenaka ka nanagiazan’ny Kaominina ireo fiarabe telo ireo, nefa arovan’ny mpitondra.
“Moa ve rehefa tetikasan’ny filoham-pirenena dia afaka tsy manaja lalàna ?”, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.