Renim-pianakaviana iray omaly no nitsikian’ny vintana nahazo ilay fiara tsara tarehy Great wall M4 natolotry ny tobim-pivarotan-tsolika Galana ho an’ny mpanjifany, tao anatin’ilay kilalao tombola nokarakarainy nanomboka ny 04 desambra ka hatramin’ny 20 janoary lasa teo.
Iray tamin’ireo 500.000 isa nandray anjara manerana ny Nosy izy io raha araka ny fanadihadiana natao ary nividy solika 30.000 Ar tany Miandrivazo na koa lubrifiant 5 litatra. Lalao efa fanaon’ny tobim-pivarotan-tsolika Galana isan-taona izy io raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao aminy Hanta Ranaivoson. Hitohy hatrany izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, hoy hatrany izy. Zava-baovao entin’ity tobim-pivarotan-tsolika iray ity moa amin’izao, ny fisokafan’ny masivohony etsy amin’ny by-pass avy any Ambohimangakely sy ny etsy Analamahitsy akaikin’ny Coliseum.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.