Ny 16 %-n’ny vokatra tokony ho azon’ny orinasa iray ao anatin’ny herintaona no very raha tsy salama ny mpiasa iray ao aminy.
Raha tombanana ho 8.000 dolara isan-taona no very amin’ny mpiasa iray dia mahatratra 80.000 dolara isan-taona ho an’ny mpiasa folo. Mba hahafahan’ny orinasa rehetra mamokatra araka ny tokony ho izy noho izany dia miroso amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny mpiasa ihany koa amin’izao fotoana izao ny tobim-pitsaboana tsy miankina Marie Stopes Madagascar. Hatreto dia orinasa miisa 40 no efa miara-miasa amin’izy ireo ka ankoatra ny fitsaboana amin’ny ankapobeny dia mampiteraka ny renim-pianakaviana sy mandray an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ihany koa izy ireo. Tafiditra ao anatin’io tolotra io avokoa moa ny mpiasa sy ny fianakaviany, raha araka ny fanazavan-dRazafinirinasoa Lalaina, tale misahana ny tetikasa eo anivon’ity tobim-pitsaboana tsy miankina iray ity. Nihaona tamin’ireo orinasa mpiara-miasa aminy tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy izy ireo omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.