Actualités

Tobim-pitsaboana Loterana Hatao hopitaly fakan-tahaka


  • Zoma 12 Desambra 2014

Nahazo toerana fitsaboana nify vaovao sy efitrano fanaovana "échographie" na fitarafana ny dispansera Loterana etsy amin'ny 67 ha

Omaly no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa izay natao indrindra hanalana fahasahiranana ny mponina eto an-drenivohitra.  Vokatry ny ezaka manokan'ny Sampan'asa Loterana momba ny fahasalamana sy ny  FNUAP no angady nananana sy vy nahitana izany. Tsy hijanona ho an'ny mpino irery ny fanokafana ireo ivontoerana roa ireo fa natao ho an'ny olon-drehetra. Nambaran'ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny TPLA sady filohan'ny Synodam-paritanin'Antananarivo ny pastera Rakotonirina David nandritra izany moa fa maro ny ezaka mbola hatao amin'ny fanatsarana ny tobim-pitsaboana FLM eto amintsika. Anisan'izany ny fananganana réanimation médicale, ny fanampiana fandriana ao amin'ny efitrano fiterahana ankoatra ny fametrahana "radiologie numérique". Tanjona ny hahatonga azy ho hopitay fakan-tahaka, indrindra fa ny eny Ambohibao izay handalo fanavaozana ihany koa atsy ho atsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT