Na tsy misy tokotaniny aza ny fanamboarana toeram-piantsonan’ny fiara eny Andohatapenaka izay anaovan’ny fanjakana resaka matavy amin’ny hanatsarana ny tontolon’ny fitaterana dia tsy liana amin’izany ny
mpitatitra sy ny mpandeha ary maro ny manambara fa vao mainka hiteraka olana. Manoloana izany dia efa misy ny resaka mandeha amin’ny hanalana an-kolaka ireo mpitatitra eny an-toerana amin’ny fanambazana ireo lehiben’ny kaoperativa. Misy ny siosion-dresaka amin’ny hanomezana vola mitentina 80 tapitrisa ariary ho an’ ireo mpitantana kaoperativa eny an-toerana ka orinasa matanjaka iray no hanome azy. Hiteraka olana anefa ny famindrana ity toeram-piantsonana ity izay vao mainka hampitombo ny olana toy ny fitomboan’ny fandaniana sy ny fitohanana. Raha halalinina ny vaovao dia efa lafon’ny fanjakana ihany koa ilay fiantsonana. Mampametra-panontaniana ireo mpampiasa fiara eny an-toerana ihany koa ny fampiasana ireo vola takiana isan’andro amin’ireo mpitatitra izay ampy hanamboarana sy hanatsarana ny toeram-piantsonana. Olana ihany koa ny tsy mba nakan’ny fanjakana ny hevitry ny vahoaka amin’ny zavatra ny hanamboarana fotodrafitrasa eny Andohatapenaka fa toy ny resaky ny moana sy ny marenina ny zava-misy ka dia hifampiziriziry eo indray izany ny roa tonta. Mety hiafara amin’ny fampiasan-kery ny tantara raha toa ka tsy hahomby ny resaka fampiasam-bola. Dia ho toy izany foana no hiainana eto amin’ny firenena noho ny amboletra ataon’ny mpitondra mpanao rano dikain’ny zinga ny vahoakany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.