Miha mahazo vahana ao Toamasina indray ity fakana an-keriny zanaka mpanam-bola ity. Taorian’ilay zanaka karana Housseni Kessaria tao Bazary, izay voatifitra in-2 teo tamin’ny tongony dia zanaka sinoa iray, David Sam Som Miock, fantan-daza ao Toamasina koa no nisy nikasa haka an-keriny omaly maraina tamin’ny 8ora sy sasany.
Efa niandry teo akaikin’ny vavahady fidiran’i David Sam Som Miock isaky avy manatitra mpianatra ireo jiolahy saika haka an-keriny azy, ka raha vao tonga izy ary namoha ny vavahady nidirany ny mpiambina dia niditra ihany koa ireto jiolahy efatra. Teo am-pidirana anefa no nosakanan’ny mpiambina izy ireo ka tazany avy ao anaty fiara. Nahemony haingana ny fiarany, hahafahany mitsoaka no nodoniny ireto jiolahy mbola mifampitolona tamin’ny mpiambina ny tranony. Tsy ireo jiolahy anefa no voa fa ilay mpiambina izay maty teo no ho eo. Tafatsoaka ihany ingahy David Sam Som Miock. Rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana dia niverina tao an-tranony izy ary nohamafisina ny fiambenana. Misy ifandraisany tamin’ireo jiolahy saika haka an-keriny an’ingahy Housseni Kessaria ve ireto jiolahy ireto ? Eo am-panadihadiana lalina izany ny mpitandro ny filaminana. Ny fitaovana nentin’izy ireo aloha araka ny angom-baovao dia misy itoviana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.