Actualités

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko


  • Talata 22 Oktobra 2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

 

no ho hita miasa eny amin’ireny sampandraharaham-paritra ao fa tsy olona avy any amin’ny faritra ivelany. Matoa  anefa ny mpitondra fanjakana foibe nametraka ireny talem-paritra isan-karazany any amin’ny faritra ireny dia ny hialana amin’ izay adim-poko izay no tanjona. Paikady iray hanafoanana  ny kolikoly ihany koa io. Mety hanjaka mantsy  ny  kolikoly raha ireo zanaky ny faritra ihany no alefa miasa ao amin’ny faritra niaviny. Misy zanaky ny faritra Atsinanana, ohatra, miasa sy monina any amin’ny faritra andrefan’ny nosy na any atsimo saingy tsy mbola nahenoana feo ireo  foko hafa. Marihina moa fa olom-bitsy ireo  fantatra fa mivoy resaka  adim-poko ao Toamasina ireo. Miantso ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahefana araka izany ireo mponina ao Toamasina mba hijery akaiky ny zava-misy. Mety hanimba ny filaminana tadiavin’izy ireo mantsy izany sady tsy mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro intsony ihany koa.

Pati

.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT