Actualités

Toamasina Misondro-bidy ny hena sy ny trondro


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Taona vaovao, vaovao ihany koa ny vidin’ny hena eny an-tsena nanomboka ny sabotsy teo tamin’ireo tsena maro tao Toamasina. Raha mbola novidiana teo amin’ny 8.000 ariary hatramin’ny 8.800 ariary ny kilaon’ny hen’omby mifangaro ny taona nivalona iny

 

, dia tsy mahazo iray kilao intsony ankehitriny raha tsy 10.000 ariary amin’ny hena mifangaro. Ny nofon-kena kosa dia efa mahatratra 15.000 ariary hatramin’ny 16.000 ariary izany, raha efa tonga 30.000 ariary ny kilaon’ny nofon-kena “filet”. Ny henan-kisoa ihany koa dia nahitana fiakarana, satria raha mbola novidiana teo amin’ny 9.000 ariary hatramin’ny 10.000 ariary ny kilao arakaraka ny tsena, dia tsy mahazo izany intsony amin’izao raha tsy 15.000 ariary. Ireo karazany samy hafa amin’ny henan-kisoa aza efa tafakatra 16.000 ariary ny kilao aminy. Nanararaotra izany fiakaran’ny hen’omby sy henan-kisoa izany koa ny mpivarotra trondro, ka nampiakatra izany ho 12.000 ariary ny kilao raha mbola novidiana teo amin’ny 7.000 ariary hatramin’ny 9.000 ariary ny kilao talohan’ny taona vaovao ity. Ankoatra izay, dia nahitana fidinany teo amin’ny 150 hatramin’ny 200 ariary kosa ny vidin’ny vary, satria vidiana eo amin’ny 1.250 ariary hatramin’ny 1.350 ariary ny iray kilao eny an-tsena ankehitriny, arakaraka ny karazan’ny vary misy.

 


Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT