Actualités

Toamasina II Taolam-paty 26 hitan’ny fokonolona


  • Alarobia 17 Febroary 2016

Atao inona marina ? Nirongatra tato ho ato ny halatra taolam-paty sy vaky fasana. Taolam-paty miisa 26 no hitan’ny olona, tao an-tanŕnan’i Manantohatra, fokontany Antanambao, kaominina Fanandrana, distrikan’i Toamasina II, ny zoma lasa teo.

 

Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ary tonga teny an-toerana avy hatrany niaraka tamin’ny tompon’andraikitra ny Bmh nijery izany. Araka ny fizahana natao dia avy amin’ny razana miisa 3 ireo taolana ireo, ka miisa 11 ny taolan-dava raha toa ka mahatratra 15 ny taolana madinika. Araka ny vaovao voaray dia tsy nisy fasana vaky teny amin’ny manodidina. Tombanana ho narian’olona teo amin’io tanàna io noho izany ireo taolana ireo rehefa tsy nahitana mpividy. Nandray andraikitra kosa ireo fokonolona nandevina ireo taolambalo teny amin’ny fasam-bahiny. Misokatra ny fanadihadiana.

Eric R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT