Omaly hariva tamin’ny 5 ora sy sasany no nafahan’ny polisy tao amin’ity trano vato be iray ao Andranomadio P/elle 11/41, i Arnaud izay nohazonin’ireo mpaka an-keriny azy efa ho 50 andro izao,
raha novonoin’izy ireo tamin’ny fomba feno habibiana kosa i Annie anabaviny. Ny vaovao azon’ny polisy tamin’olona tsara sitrapo no nahitana ity trano nihazonana azy. Efa tokony ho ny alahady teo no natao ny hetsika, saingy niandry fotoana ny polisy ka izao nahita vokatra lehibe izao. Tsy nisy ny fandoavana vola ho takalon’ny famotsorana an’ity zazalahy ity na ny ariary aza.
Kalachnikov sy grenady
Tsy nisy fifampitifirana teo amin’ireo olona tratra tao an-trano miisa 5, nahitana ireo mpivady mpanofa ny trano sy ireo mpisakaiza teo ivelan’ny mpiambina izay mandalo ary ity tovolahy mpiambina an’i Arnaud tao an-trano sy mpanatitra ny sakafony. Voatery nanao tifi-danitra ihany ireto polisy mba hanairana azy ireo tsy hanao fihetsika mahery. Teo ambany fandriana vita amin’ny jiafotsy tao anaty efitra iray maizina no nahitana an’ity tovolahy ity. Mbola tratra tao ihany koa ny basy kalaky 4 feno bala sy grenady iray tsy mbola nipoaka. Raha ny fanazavana dia salama ara-batana amin’ny ankapobeny i Arnaud saingy eo amin’ny sainy no misy olana noho ny sedra mafy nahazo azy. Efa mandalo fitsaboana eo anivon’ny mpitsabon’ny hopitaly be izy ankehitriny hijerena ny fahasalamany amin’ny ankapobeny, izay tsara ambina ihany koa. An-kilan’izay, dia niara-nihetsika tamin’izao fanafahana an’i Arnaud izao ireo polisy rehetra tao Toamasina, nahitana ny Force d’Intervention da la Police, ny Unité d’Intervention Rapide, ny polisin’ny kaomisarian’i Toamasina I ary ny polisin'ny kaomisarian’i Tanambao II, izay ny kaomisera tao Atoa Rakotovao Jean Christian no nitarika azy ireo. Ankoatra izay, dia hanome ny pitsopitsom-panazavana mikasika ity raharaha ity ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina mitarika ny fanadihadiana rehetra mikasika ny raharaha Arnaud. Mbola tantara mitohy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.