Ny fampifangaroana ny ban-kira avy atsy Afrika atsimo amin’ny tsapiky toto-tanana malagasy.
Io no voka-pikarohana vitan’i Tina Ravel eo amin’ny habaky ny hira sy ny mozika. Tina Ravel, ny nahitany masoandro dia ny angady nananana sy vy nahitana ny “Ravel music” izay orkestra nanana ny maha izy azy tokoa teto Gasikara teo amin’ny fanafanana lanonana. Anarana tsy hay kosehina eo amin’ny kianjan’ny kanto an-kira ihany koa i Liva Ravel izay anabavin’i Tina Ravel. “Tsy hianona amin’ny fampahafantarana ny trandran-kanto vitako amin’ny fanakambanana ny “sud af” sy ny “tsapiky” eto an-tanindrazana aho”, hoy i Tina Ravel fa hitondra izany any Dilambato. Miavaka amin’ilay tononkira manao hitsin-dalana sy bao tsy mivily ny lehilahy. Tsapa io anatin’ilay vazo “Mitandrema soa” ampitandreman’ity mpanakanto ity fa tsy tsara raha tia drala loatra ny ampela. Ny faramparan’ity taona ity i Tina Ravel no mikasa hanatosaka ny mozikany amin’ny alalan’ny “Cabaret” eto Analamanga. Ny taona 2015 izy no handrakitra ireo tsanganasany anatin’ny kapila mangirana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.