Tily sampana mena avy ao amin’ny faritanin’Analamanga avaratra miisa 1500 avy tamin’ny fiangonana Loterana, Fjkm, Metem, ary Anglikanina no nandray anjara tamin’ny Rodorodo Miavaka ho an’ny taona 2015-2016.
Telo andro (15-17 aprily 2016) no nanatontosana ny hetsika tany Mahitsy ka niompana tamin’ny fanabeazana ireto tanora latsaky ny 16 taona ireto ny fisedrana sahady ny fiainana no natao. Dia an-tongotra an-jatony kilometatra maro no vitan’ireto tanora ireto ka sady milalao no mifaninana amin’ny fahaizana mahandro sy mitafy malagasy ary mianatra ny fahaiza-miaina amin’ny maha tily ihany koa no natao. Nahatratra 50 ny isan’ireo mpiandraikitra isam-piangonana nandray an-tanana ireto tanora ireto ary 80 hafa mpanara-maso. Ho an’ny sampana maitso Analamanga Avaratra ihany, faritra fahatelo dia nifanindry tamin’ny LFTT Faritra ity Rodorodo ity. Ny LFTT indray moa dia Lalao Fifaninanana ny Teknika TIly no tena dikany ka hita tao avokoa ny fomba famolavolana ny tanora mba ho olom-banona sy hatahotra an’Andriamanitra. Nofaranana tamin’ny fety sy fiaraha-misakafo tao amin’ny sehatra Analamaitso Analamahitsy omaly ny fotoana tao anatin’ny firahalahiana tanteraka.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.