Nanoloana ny zava-nitranga tetsy amin’ny lapan’ny tanŕnan’Antananarivo etsy Analakely ny alarobia teo, dia nilaza ny mpanao politika sady mpikambana ao anatin’ilay vondrona politika Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena (DFP) fa tokony horaisin’ny fitondram-panjakana ho feon-dakolosy ireny.
Iza no filoha faratampon’ny floalindahy Malagasy ? Tsy ny filoham-pirenena ? Ny zavatra hita teny amin’ny lapan’ny tanàna anefa dia ny tafika iray manontolo mihitsy izay notarihina manamboninahitra jeneraly no tonga teny an-toerana. Mbola filoha faratampon’ny tafika ve ny filoham-pirenena raha tsy nanome baiko tamin’iny tranga iny ? “Rehefa ny vadin’ny tafika ve no voakitika dia tonga manafika tsy misy fifampierana sy baiko fa rehefa ny vahoakan’i Soamahamanina mitaky ny zony dia odiana fanina ?”, hoy izy. Aiza ilay tandroka aron’ny vozona natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.